« On dit que quand on aime on ne compte pas, pourtant je compte chaque seconde passée loin de toi ».
Amy Softpaws
« ATO E »
Ato e, mibanjina ny lanitra
Ny alahelo anao
No tsapako maranitra
Any anatiko any
Fa odiako fanina :
Miezaka… fa sarotra
Sarotra toranina
Ilay tsiaro anao
Ato lesy, manina
Manina an'ialahy
Ato e, tsy mahita tory
Ka manisa kintana :
Miezaka mamintana
Torimaso mamy
Efa saika tamy…
Efa saika
Fa tsy mety mahazo
Izaho anefa maika
Ny hihaona aminao
Any anaty nofy
Ato e, mitazana ny volana
Tarafin'ny hazavany
Eto am-baravarankely
Te hahita ny endrikao
Sady very manontany
Hoe asa izay ianao any
Raha mahita ny hitako
Sa ve efa rendrika ao?
Te handre ny feonao
Sy te hiangolavaitra
Te hiantso anao kanefa
Izaho tsy te hanaitra
Ka ny eritreritra no alefa
Hamangivangy anao
Ato e, tsy mahandry
Ato e, manisa ora
Ny fotoana toa mihisatra
Mandeha tsimoramora
Ny alina tsy mety vita
Ka dia nandray penina
Nameno tasy-tara
Tamin'ny rediredy
Iny
Iny tazako ny alina
Manomboka mamalona
Mamalona ny haizina.
Iny fa mihavitsy an'isa
Ireo kintana nalaina
Handravaka ny lanitra
Kely sisa dia maraina
Kely disa dia hiantsampy
Eny an-tratranao indray
« Kely sis » hoy aho nanoaka
Ato e, bongo maso
Perhaps
(24/07/2023)